Matthew 2

1Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy tao Betleheman’i Jodia tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, dia tonga tao Jerosalema ireo lehilahy manam-pahalalana avy any atsinana niteny hoe: 2“Aiza Izy izay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Nahita ny kintany avy eny atsinanana izahay ary tonga mba hidera azy.” 3Rehefa nandre izany i Heroda mpanjaka, dia nihorohoro izy, sy i Jerosalema manontolo niaraka taminy.

4Nentin’i Heroda niaraka ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalànan’ny olona, ary nanontany azy ireo izy hoe: “Aiza no hahaterahan’i Kristy?” 5Niteny taminy izy ireo hoe: “Ao Betleheman’i Jodia, fa izao no voasoratry ny mpaminany hoe: 6‘Fa ianao, Betlehema, any amin’ny tanin’ny Joda, dia tsy kely indrindra amin’ireo mpitondran’i Joda, fa avy aminao no hatongavan’ny mpanapaka izay hiandry ny oloko Israely.”

7Ary niantso mangingina ireo lehilahy manam-pahalalana i Heroda mba hanontany azy ireo mazava tsara ny fotoana nipoiran’ilay kintana. 8Nalefany tany Betlehema izy ireo, manao hoe: “Mandehana ary fotory tsara ny amin’ilay zaza. Rehefa hitanareo izy, dia ampilazao aho, mba afahako mankany ihany koa ka hidera azy.”

9Taorian’ny nandrenesan’izy ireo ny mpanjaka, dia nandeha tamin’ny lalany izy ireo, ary ny kintana izay hitan’izy ireo teny atsinanana no nialoha azy ireo mandra-pijanony teo ambonin’ny toerana nisy ilay zaza. 10Rehefa nahita ny kintana izy ireo, dia niravo tamim-pifaliam-be.

11Niditra tao amin’ilay trano izy ireo ary nahita ny zaza niaraka tamin’i Maria reniny. Niankohoka sy nidera azy izy ireo. Nanokatra ny fitoeran-kareny izy ireo ary nanolotra fanomezana volamena, dintin-kazo manitra, ary miora ho azy. 12Nampitandrina azy ireo tamin’ny nofy Andriamanitra mba tsy hiverina any amin’i Heroda, ka lalana hafa no nandehanan’izy ireo namonjy ny fireneny avy.

13Rehefa lasa izy ireo, dia nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tamin’ny alalan’ny nofy ary niteny hoe: “Miarena, ento ny zaza sy ny reniny, ary mandosira any Egypta. Mitoera any mandra-pilazako aminao, fa i Heroda dia mitady ilay zaza mba hamonoana azy.” 14Ny alin’iny Josefa dia nifoha ary nitondra ny zaza sy ny reniny ka nankany Egypta. Nitoetra tany izy mandra-pahafatin’i Heroda. 15Izany dia nanatanteraka izay nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: “Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.”

16Avy eo Heroda, rehefa nahita fa voafitak’ireo lehilahy manam-pahalalana, dia tezitra mafy. Naniraka sy nampamono ny zazalahy rehetra roa taona no midina izay tao Betlehema sy tao amin’iny faritra rehetra iny izy, araka ny fotoana izay nofotorany mazava tamin’ireo lehilahy manam-pahalalana.

17Avy eo dia tanteraka ny teny izay nolazaina tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany hoe: 18“Nisy feo re tao Rama, fitomaniana sy fisaonam-be, mitomany nohon’ny amin’ny zanany i Rahely, ary tsy nanaiky ny ho ampanginina izy, satria efa lasana izy ireo.”

19Rehefa maty i Heroda, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Egypta tamin’ny nofy ary niteny hoe: 20“Mifohaza ary ento ny zaza sy ny reniny ka mandehana any amin’ny tanin’ Isiraely, fa efa maty ireo izay nifofo ny ain’ny zaza.” 21Nifoha Josefa, nentiny ny zaza sy ny reniny, ary nandeha tany amin’ny tanin’Isiraely.

22Fa rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra ny ho any izy. Taorian’ny nampitandreman’ Andriamanitra azy tamin’ny nofy, dia niala nankany amin’ny faritr’i Galilia izy ka nandeha ary nitoetra tao amin’ny tanàna antsoina hoe Nazareta. Izany dia nahatanteraka izay voalaza tamin’ny alalan’ireo mpaminany hoe: “Nazarena no hiantsoana azy.”

23

Copyright information for PltULB